<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>J.A. Josephson</author>
<hymn_number>379</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Torotoro va ny fonao,
 Ry mpanota re, izao ?
 Ka ifonanao tokoa
 Va ny hadisoanao ?
 Hianao va mitomany
 Ka maniry mba ho any
 Amin-Jeso, Izay nandany
 Re ny ainy ho anao ?

[V2]
 Ny Fanahin'ny Mpamonjy
 Moa nangatahinao
 Hampandray anao ny vonjy
 Hahamasina anao ?
 Moa fantatrao tokoa
 Fa ny rany mahasoa
 Dia avotra naloa
 Mba hahafa-trosa anao ?

[V3]
 Maro no manaiky ihany
 Araka ny vavany,
 Fa hanoa ny Mpamonjy,
 Ka ho tena havany.
 Nefa kosa mbola tia
 Fomba ratsy, ka mania,
 Dia tsy handray fitia
 Raha ao am-parany.

[V4]
 Koa dia miangavy
 Aho, ry sakaizako
 Mahereza mba hitady
 Fiadanana ao am-po
 Mba hatòny ny Mpamonjy,
 Angatahonao ny vonjy
 Dia tsy maintsy ho tra-bonjy,
 Jeso no mamindra fo.</lyrics>
<title>Torotoro va ny fonao FFPM379</title>
</song>